NY ZAVA-DEHIBE EFATRA MOMBA NY FIAINANA ARA-PANAHY

1. VOALOHANY TIA ANAO ANDRIAMANITRA KA MANOLOTRA FIAINANA MAHAGAGA HO ANAO

NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA

ซFa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very Izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizayป. Jaona 3:16

NY FIAINANA ATOLONY
I Kristy no miteny hoe: ซIzaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia beป. Jaona 10:10

Maro anefa ny olona tsy mahafantatra izany fiainana be dia be izany satria...


2. FAHAROA MPANOTA NY OLOMBELONA KA TAFASARAKA AMIN' ANDRIAMANITRA, NOHO IZANY DIA TSY FANTANY NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA SY NY FIAINANA ATOLOTR' ANDRIAMANITRA AZY.

MPANOTA NY OLOMBELONA
ซFa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitraป. Romana 3:23

Noforonin' Andriamanitra mba hanana fifandraisana mitohy Aminy ny olombelona. Nifidy ny handeha araka ny sitrapony anefa izy; vokatr'izany dia rava ny fifandraisany amin'Andriamanitra. Na ny fanoherana mivantana an'Andriamanitra, na ny tsy firehana manoloana ny Tenin'Andriamanitra dia samy antsoin'ny Baiboly hoe ซfahotanaป avokoa.

TAFASARAKA AMIN'ANDRIAMANITRA NY OLOMBELONA
ซFa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareoป Isaia 59:2a

ซFa fahafatesana (fisarahana ara-panahy amin'Andriamanitra) no tambin'ny otaป Romana 6:23

mala1

Ny zava-dehibe fahatelo no manome antsika ny vahaolana amin'izany ...


3. FAHATELO I JESO KRISTY IRERY IHANY NO MANAFAKA AMIN'NY FAHOTANA. MATY NOHO NY FAHOTANTSIKA IZY ARY AMIN'NY ALALANY NO AHAZOANTSIKA MAHAFANTATRA SY MIVELONA AMIN'NY FlTIAVAN'ANDRIAMANITRA SY NY FIAINANA ATOLONY.

MATY HAMONJY ANTSIKA IZY ARY NITSANGANA TAMIN'NY MATY
ซFa i Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika amin'Andriamanitraป. (Petera 3:18)

ซKristy-maty noho ny fahotantsika ... dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina . .. ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy ... ป (1 Korintiana 15:3-6)

IZY NO LALANA TOKANA
Hoy i Jeso: ซIzaho no lเlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.ป (Jaona 14:6)

lo sary io dia mampiseho fa Andriamanitra irery no mamerina amintsika ny fifandraisana Aminy. Izany dia nataony tamin'ny alalan'i Jeso Kristy izay maty nisolo voina antsika teo amin'ny hazo fijaliana.

Tsy ampy anefa ny mahalala ireo zavadehibe telo voalaza ireo fa ...


4. FAHEFATRA ISIKA TSIRAIRAY AVY NO TOKONY HANDRAY AN'I JESO KRISTY HO MPAMONJY SY TOMPONTSIKA, AMIN'IZAY DIA HO FANTANTSIKA SADY HIVELOMANTSIKA NY FITIAVAN' ANDRIAMANITRA SY NY FIAINANA ATOLONY ANTSIKA.

TOKONY HANDRAY AN'I KRISTY AMIIN'NY ALALAN'NY FINOANA ISIKA

ซFa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany.ป (Jaona 1:12)

ซFa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. ป (Efesiana 2:8,9)

I Jeso no miteny hoe: ซIndro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mand๒nd๒na; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana; dia hiditra a๒ aminy Aho...ป Apokalypsy 3:20

Tsy ampy ny mahalala fotsiny hoe Zanak'Andriamanitra i Jeso Kristy ary maty noho ny fahotantsika. Ny hoe mandray an'i Kristy dia miverina amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fibebahana ary mangataka Azy hiditra ao amin'ny fiainantsika.

1. Olona mandeha araka ny sitrapony fotsiny
Any ivelan'ny fiainany i Kristy (na ny †). Raha mandeha dia araka ny sitrapony fotsiny ny olona dia tsy manana ny fiadanan'Andriamanitra.
2. Olona manaiky hotapahin' i Kristv:
Ao amin'ny fiainany i Kristy (nany †). Amin'izany dia mandamina ny lafim-piainany rehetra Izy sady manome azy ny fiadanany.
Mala4

 

Ny aiza amin'ireo sary ireo no tahaka ny fiainanao?

Ny aiza amin'ireo sary ireo kosa no fiainana irinao hananana?

Ny fomba handraisanao an'i Kristy ...


AZONAO ATAO IZAO NY MANDRAY AN'I KRISTY AMIN'NY ALALAN'NY VAVAKA

(Ny hoe mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra). Tsy ny teny ataonao anefa no zava-dehibe Aminy fa ny toe-ponao.

Afaka mivavaka toy izao ianao:

ซJeso Tompo ๔, hatramin'izao dia ny sitrapoko no mibaiko ahy ary nanota taminao aho tamin'izany. Misaotra Anao aho noho ny namelanao ny heloko. Midira ato am-poko lanao ka manapaha ny fiainako manontolo. Ekeko ho Tompoko sy Mpamonjy ahy lanao hatramin'izao. Havaozy ny fiainako mba ho tonga olona araka ny sitraponao aho. Amena.ป

Mifanaraka amin'io vavaka io ve ny fanirianao ao am-ponao?

Raha izany dia azonao atao io vavaka io izao ary dia hiditra ao am-ponao araka ny nampanantenainy i Knsty.


NY FOMBA AHAFANTARANAO FA AO ANATINAO TOKOA I KRISTY

Efa noraisinao ao am-ponao ary ve izao i Kristy ? Araka ny fampanantenana nomeny ao amin'ny Apokalypsy 3:20, aiza ary izao i Kristy ? Efa nilaza i Kristy fa hiditra ao amin'ny fiainanao; mety handainga aminao ve Izy? Ahoana no ahalalanao fa namaly ny vavaka nataonao teo Andriamanitra ? (Satria azo itokiana Andriamanitra sy ny Teniny.)

NY BAIBOLY DIA MANAMBARA FA MANANA FIAINANA MANDRAKIZAY IZAY REHETRA NANDRAY AN'I KRISTY

ซAry izao no fanambarany : fiainana mandrakizay no omen' Andriamanitra antsika ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako aminareo izay mino ny anarantny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareoป (1 Jaona 5:11-13)


AZA MITOKY AMIN'NY FAHATSAPANAO

Mahatsiaro ho sambatra angamba ianao izao. Amin'ny andro hafa kosa mety halahelo. Miovaova arakaraka ny toe-javatra mitranga eo amin'ny fiainanao koa ny fihetseham-ponao.

Ny Tenin'Andriamanitra no itokiantsika fa tsy ny fihetseham-pontsika.

Tsarovy fa i Jeso dia ao amin'ny fiainanao mandrakariva.

Hoy Izy : ซIzaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.ป (Hebreo 13:5)

Noho izany, misaora an'Andriamanitra mandrakariva na amin'ny mora na amin'ny sarotra.


REHEFA NORAISINAO AMIN'NY ALALAN'NY FINOANA I JESO KRISTY DIA ZAVATRA MARO NO TANTERAKA AMIN'NY FIAINANAO ARY IRETO NO SASANTSASANY AMIN'IZANY

  1. I Kristy dia ao anatinao (Apokalypsy 3:20; Kolosiana 1:27)
  2. Voavela ny helokao (Kolosiana 1:14).
  3. Tonga zanak'Andriamanitra ianao (Jaona 1:12).
  4. Manomboka miaina ny fiainam-baovao izay natolotr'Andriamanitra anao ianao (Jaona 10:10; 2 Korintiana 5:17).

Heverinao ve fa misy zavatra tsara kokoa noho izany hoe mandray an'i Kristy izany eo amin'ny fiainanao ?

Tianao ve ny hisaotra an'Andriamanitra izao noho izay nataony ho anao ? Raha misaotra Azy ianao dia mampiseho ny finoanao Azy izany.

Aoka ary hivavaka isika ...


NY FITOMBOANA ARA-PANAHY

Ny zaza vao teraka dia tsy mijanona amin'ny maha-zaza azy fa tokony hitombo. Toy izany koa, ny Kristiana tsirairay dia mila mitombo ara-panahy. Indreto misy torohevitra hahatanteraka izany:

  1. Manokana fotoana isan'andro hivavahanao amin'Andriamanitra (Jaona 15:7)
  2. Mandiniha Tenin'Andriamanitra isan'andro (Asa 17:11). Atombohy amin'ny Filazantsaran'i Jaona izany.
  3. Ankatoavy mandrakariva ny Tenin'Andriamanitra (Jaona 14:21).
  4. Mitoria an'i Kristy amin'ny toetranao sy ny teny ataonao (Matio 4:19; Jaona 15:8).
  5. Matokia an'Andriamanitra eo amin'ny lafim-piainanao rehetra (1 Petera 5:7).
  6. Aoka hotarthin'ny Fanahy Masina ianao eo amin'ny fiainanao andavanandro sy eo amin'ny fijoroanao ho vavolombelona (Galatiana 5:16,17; Asa 1:8).

NY MAHA ZAVA-DEHIBE NY FIANGONANA

Raha maromaro ny kitay ao am-patana dia mirehitra tsara ny afo. Raha atokana toerana anefa ny kitay anankiray dia mihamaty ny afo aminy. Dia toy izany koa, ho sarotra aminao ny hivelona samy irery ny fiainana kristiana. Zava-dehibe tokoa ny hifaneraseranao amin'olona hafa izay efa nandray an'i. Jeso Kristy ho Tompony sy Mpamonjy azy.

Noho izany, aoka ianao hanatona fiaraha-mivavaka any am-piangonana, dia izay fiangonana anekena fa Tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly manontolo ary ankalazana an'i Jeso Kristy. Atombohy amin'ity herinandro ity izany.

ซAza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.ป (Hebreo 10:25)


ADDITIONAL ASSISTANCE